Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-4

42 Nisy lehilahy anankiray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin'ny santabary ho an'ity olon'Andriamanitra, dia mofo orja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasakany; ka hoy Elisea: Omeo ny olona hohaniny.

43 Fa ny navalin'ny mpanompony: Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan'ny olona zato? Fa hoy Elisea: Omeo ireo olona ireo hohaniny; fa izao no lazain'ny Tompo: Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany. 44 Dia norosoana izy ireo ka nihinana, nefa mbola nisy sisa tsy lany araka ny tenin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0505